TSY FANARAHANA FITSIPIKA FA FISEHOAN’NY FAHAVELOMANA
TSY FANARAHANA FITSIPIKA FA FISEHOAN’NY FAHAVELOMANA
 
       “Midira amin'ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tery ny làlana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” Mat.7:13-14
 
         Mazava tsara amin’ny olona maro fa raha mihazo làlana iray izy dia manana ny fitodihana tiany hahatongavana. Tsy ny fiainana eto an-tany ihany no misy izany fa ny fidirana any amin’ny mandrakizay koa dia tahaka izany tanteraka. Misy làlana roa sy vavahady roa ka ny iray mivantana amin’ny fahafatesana mandrakizay ary ny iray mihazo ny fiainana mandrakizay. Raha vakiana tsara ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia ireo fifanoherana roa ireo hatrany koa no avoitrany. 
         Tsy vokatry ny fahatanterahana ny lalàna no ahazoana ny fiainana mandrakizay ary vokatry ny tsy fahatanterahana ny lalàna no itsofohana amin’ny fangirfiriana sy fijalina tsy misy farany na ny fahafatesana mandrakizay. Fahadisoan-kevitra efa nahazo ny Jiosy hatramin’ny taloha ary mahazo ny kristiana sasany koa ankehitriny ny fitokiana amin’ny herin’ny lalàna.
         Manana lalàna tokoa iarovany ny mino na ireo zanany Andriamanitra fa tsy natao hahazoana famonjena izany. Manampy ny kristiana mba hizorany amin’ny làlana izay efa izorany hamantana ao amin’ny fiainana mandrakizay izany.
         Ny fidirana amin’ny làlana malalaka izay miafara amin’ny vavahady lehibe ka mitondra ho amin’ny fahafatesana mandrakizay dia tsy ny tsy fankatoavan-dalàna no antony fa ny safidy hanohitra an’Andriamanitra sy ny sitrapony ary ny asany mihitsy. Izany hoe fitadiavana hery hafa iankinana na fahatokiantena tsotra izao ka manao an’Andriamanitra ho tsy misy. Ankoatra izany dia ao koa ny tsy fahafoizana ny fahafinaretan’izao fiainana izao sy ny famalifaliana ny sitrapon’ny nofo. Fanaranam-po sy firaisana petsapetsa amin’ny devoly izany ka tsy mahagaga satria efa nanohitra an’Andriamanitra taloha ary mbola manohitra ankehitriny izy, tsy mitsahatra mitaona olona hiaraka aminy amin’izany fanoherana izany ny devoly mba ho maro no miara-maty aminy koa. Avy amin’ny Satana mihitsy ny fahamafisam-po ka mahatonga ny olona tsy mety hibebaka sy mikiribiby amin’ny fahotana.
         Ny fidirana amin’ny vavahady ety sy ny fanarahana ny làlana tery kosa dia tsy hoe ny fahamafisan’ny lalàna sy ireo fitsipipifehezana fa ny fanatanterahana eo amin’ny fiainana an-davan’andro ny faneken’ny batisa. Tsy mijanona ho teny any am-piangonana fa miseho ao an-trano, hitan’ny any am-piasana, tsy takona amin’ny eny ambony fiara mpitatitra olona fa mifady ny Devoly sy ny asany rehetra ary ny fombany rehetra. Io tsy fitakiana hoe rehefa tsy vitanao ireo dia ariana ho faty ianao fa mifamatotra kosa amin’ny finoana ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Io no faneken’ny Batisa. Io no mampivoitra ny asa efa vitan’ny Telo Izay Iray sy mbola ataony ho antsika ankehitriny sy amin’ny ho avy. Noho ny amin’izay efa vitan’i Jesosy sy ny fiainana atolony antsika dia tsy mahafaly antsika ary lavintsika tanteraka ny asan’ny Devoly. Io no làlana tery izay izorana nefa ahazoana ny sy ihazonana ny fianana mandrakizay.
         Fahatokiana sy fiankinana feno amin’ny Ray sy Jesosy Zanany izany. Tsy ezaka ataon’ny olona fa fitarihana ataon’ny Fanahy Masina isan’andro. Tsy terena noho izany fa vokatra tovozina avy amin’ny asan’Andriamanitra ny LALANA VOLAMENA voaresaka eto. Na dia samy manana ny lalàny sy ny fampianarana ataony ny antokom-pivavahana samihafa dia ao ny lalàna izay fitakiana heverin’ny sasany ho làlam-pamonjena araka izay nataon’ny Jiosy. Ao kosa ireo lalàna izay zary fefy sy fitsipika mitondra ny fiainan’ny olom-boavonjy ka tsy fitakiana fa fanampiana no atolony betsaka ivelarana sy itomboana amin’ny fianana maha Kristiana.
         Tsy ny fiainana maha Kristiana ihany no mila izany fa miseho eo amin’ny fiaraha-monina koa izany ka hitondra fampandrosoana. Tsy faneriterena na fanafoanana ny zo maha olona no zava-dehibe fa ny fifanampiana sy ny fampivelarana ny maha olona ary indrindra ny olona vaovao amin’ny Kristy. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina ny maha Kristiana raha tena iainan’ny olona tokoa fa tsy ataony am-bava fotsiny.
         Io fianana Kristiana mitombo sy mivelatra araka ny maha-zanak’ Andriamanitra azy io no tian’i Jesosy havoitra amin’ny Didim-pitiavany. Io no niseho tamin’ny fiainan’ny fiangonana voalohany. Ary afaka miaina izany koa isika Kristiana ankehitriny. Tanteraka io fianam-pitiavana io ka tsy misy kilemany rehefa tonga any an-danitra isika. Tsy any anefa vao hanomboka hiainana izany fa toy ny mampanonofy ihany ny fiangonana raha izany. Mila io fiainana vaovao ivelomana vokatry ny batisantsika io ny firenena.
         Izany no ampahatsiarovana ny vita batisa rehetra anio mba hivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra na ny lalàna sy ny Mpaminany, mba hanandratra avo ny maha zanak’Andriamanitra azy noho ny batisa efa voarainy ka tsy hanohitra ny Rainy intsony. Io no ivelomana amin’ny didim-pitiavana.
         Izany no iantsoana izay rehetra mbola tsy vita batisa mba hanatona ny fiangonana ka hatao batisa sy ho velona araka an’Andriamanitra. Aza variana amin’ny làlana malalaka fa mandrosoa hanao ny faneken’ny batisa satria tia anao koa Jesosy. Meteza mba hivelona amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany aty an-tany ary hiaina feno izany any an-danitra.
         Koa mandrosoa mba hiaina ny fanjakan’Andriamanitra aty an-tany ary ho vonona tokoa hiaina ny fanjakan’Andriamanitra any an-danitra.
         Midira amin’ny vavahady ety. Manaraha ny làlana tery fa io no ahazoana mampandroso ny firenena sy mahatonga any amin’ny fiainana mandrakizay.
 
Amen
Sombim-baovao...
 
Efa fantatrao ve fa azo atao tsara ny mametraka fanontaniana amin'ny mpiandraikitra ity tranonkala ity
raha misy zavatra manitikitika anao...
Midira eto !
 
Aujourd'hui sont déjà 1 visiteurs (2 hits) Ici!
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement