Fanati-piderana - Hebreo 13 : 15

 

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY

SYNODAM-PARITANY AVARATRIMANIA

 ISANATAONA FAHA-116

ANKAZOMIRIOTRA 08.09.07

Rev Prof David RAKOTONIRINA


"Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany." Heb.13:15


 FITARIHANTENY:

 

Isan’ny fampianarana hazonintsika Loterana ny maha mpisorona ny mino rehetra. Miainga amin’ny fandinihan’i Dr Martin Lotera ny Soratra Masina izany. Isan’izany ireto: “Ka dia atsangana koa hianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.” ;Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjakà-mpisorona, firenena masina» (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'Ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga.” I Pet.2: 5, 9.

 

Tsy hafa fa izany resaka fanatitra izany no resahin’ity lahateny atolotra antsika ity. Fa amin’izany fanolorana ny fanatitra izany dia ao tokoa ny mpisorona izay manao sy manatanteraka izany. Horesahintsika aloha ny amin’ity fanatitra ity. Rehefa izany dia hohazavaintsika kely ihany ny amin’ny mpisorona izay manatanteraka ny fanatitra. Ary farany dia itadiavantsika valiny ny fanontaniana hoe: Fa inona indrindra no mahasarobidy ity lahateny ity amin’izao Isantaona izay manao ho laharam-pahamehana ary tena vaindohan-draharaha ny Asa Misiona izao?

 

NY FANATI-PIDERANA

 

Misy karazany maro ny fanatitra araka izay anambaran’ny Baiboly azy. Amin’ny Baiboly dikateny Protetanta izay ampiasaintsika ankehitriny dia miverina in-736 ny teny hoe “Fanatitra” ka ny 18 amin’ireo dia hita ao amin’ny Epistily ho an’ny Hebreo avokoa. Misy karazany maro ny fanatitra ary tsy hamisavisa izany rehetra izany eto isika fa misy vitsy ho lazaina tsotra fotsiny: Fanatitra odorana, fanatitra alatsa-dra, fanatitra hohanina, fanatitra noho ny ota, fanati-pihavanana ary fanati-pisaorana na fanati-piderana sy ny maro hafa. Samy azo atao fanatitra daholo na ny biby fiompy na ny vokatry ny fambolena. Nisy aza olona natao fanatitra ary Paoly dia mamporisika mihitsy hoe: “Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon' Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.” Rom.12:1. Tsy handalina izany rehetra izany eto koa anefa isika.

 

Ny fanati-piderana na fanati-pisaorana no voalaza eto amin’ny perikopa. Marihina anefa fa tsy miseho afatsy in-2 ny teny hoe fanati-piderana: eto amin’ity Hebreo ity sy ny Mpitsara 9:27. Ny mitovitovy hevitra aminy dia ampiasaina in-15 kosa: Fanati-pisaorana. Ao amin’ny TT daholo anefa ireo fa tsy misy ao amin’ny TV mihitsy. Ity voambolana ity anefa no tsy miasa firy fa ny hevitra fonosiny dia matanjaka tokoa.

 

Raha ny fanatitra hafa atao mba ahazoana fihavanana na itadiavana ny fahavelomana misy fiadanana, ity karazam-panatitra ity kosa dia ataon’ny olona manana fiainana sy tena velona amin’ny fiadanana. Azo lazaina fa hita maro ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izany fampianarana izany. Naneho izany betsaka tokoa ny fiainan’ny fiangonana voalohany. Fitenintsika matetika ohatra ao am-piangonana ny hoe: Raki-pisaorana. Mazava amintsika sahady izay mahatonga antsika hanao izany, nefa mbola hodinihintsika akaiky eto ny amin’io. Rehefa natao ny fandinihina ka nampianarina antsika fa tsy rakitra no teny hampiasaina fa fanatitra dia manjary toy izao izany izy io: Fanati-pisaorana. Ka moa mifanandrify ve ny fanati-pisaorana lazaintsika sy iainantsika ary izay ambaran’ny Soratra Masina?

 NY ANTONY HANATANTERAHANA IZANY

 

Raha hifototra amin’ny Epistily ho an’i Hebreo isika dia tena voasana betsaka ao ny mikasika ny fanatitra. Velariny aloha ny tena fipetraky ny fanatitra ao amin’ny TT. Fa asehony avy eo ny amin’ny fanatitra nataon’i Jesosy. Misy vokatra lehibe ho an’ny Fiangonana izany ka dia ampianariny koa izay tokony hataontsika ny amin’izany fanatitra izany. Azo lazaina fa tsy nahitana fahombiazana araka izay tena nikendrena ny  fanatitra ao amin’ny TT fa tandindona filazana mialoha ihany ny amin’ny fanatitra haton’i Jesosy. Izany hoe tsy ny maha fanatitra azy no zava-dehibe fa izay ahazoana maneho an’i Jesosy Ilay Mpisoronabe tonga lafatra indrindra sady nanatitra ny Tenany indray mandeha monja. Ao amin’ny Epitily ho an’i Hebereo no ahitantsika izany be indrindra sy mazava tokoa. Vokatry ny fisoronana nanateran’i Jesosy ny Tenany indray mandeha monja teo amin’ny hazofijaliana ka hoy indrindra Petera: “Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy.” I Pet.3:18. Fandatsahana ra indrai-mandeha izany fanatitra izany kanefa mitondra fiainana ho an’ny maro satria “raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.” Heb.9:2 b. Fa rehefa vitan’i Jesosy kosa izany dia tsy mba hita intsony ny fitakiana ny fanatitra hataon’ny Fiangonana. Ny fiainana ny vokatr’izany fanatitra nataon’i Jesosy izany no asehon’ny fiangonana fa tsy hoe takiana amin’ny fiangonana. Ao amin’izany fiainan’ny Fiangonana ny vokatry ny fanatitra nataon’i Jesosy izany no isehoan’ny fanatitra samihafa araka ny maha mpisorona ny mino rehetra. Isan’ireny ny fanati-piderana izay lazaina eto.

 

Teny tokana mahalaza zavatra maro izy ity hoy isika teo. Raha ny marina tokoa mantsy dia tsy tokony hamporisihina na entanina ny hanatanterahana izany. Tena efa niainan’ny fiangonana marina tokoa. Misy aza nahazo fisaorana sy fankasitrahana tamin’i Paoly ireo Fiangonana tena nampiseho vokatra betsaka ny fiainana ny vokatry ny fanatitra nataon’i Jesosy ity. Saingy araka izay asehon’ny Hebreo dia tena nisy fihemorana betsaka ara-pinoana sy teo amin’ny fiainan’ny fiangonana. Io fihemorana amin’ny lafiny maro io no antony nanoratana ny Epistily. Fampaherezana sy famporisihina maro no ampitainy tahaka izay hita koa nandritra ity Isantaona ity tamin’ny alalan’ireo Toriteny sy Lahateny maro efa rentsika teto. Niverina matetika ny hoe: “Aoka…”. Ny fahavelomana amin’ny Tenin’ Andriamanitra ka manome fahatanjahana ara-pinoana dia tsy mamela ny Kristiana hipetraka fotsiny. Hoy Petera raha manazava izany: “Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.” II Pet.1:8

 

Ary ny hanantitra izany indrindra no kendren’ity Lahateny ity. Sitrak’Andriamanitra ny fahavelomantsika amin’ny Teniny. Toa hita taratra anefa fa misy hery hafa te hangia ny fiangonana. Samy miteraka fihemorana na ny fanomezan-danja ny vola tsy anjakan’ny Tenin’Andriamanitra ka manjary toy ireo fikambanana mpanao asa soa hafa sisa ny fiangonana. Misy mihitsy aza mihevitra fa toy ny orin’asany mihitsy ny fiangonana. Miteraka fihemorana tahaka izany koa ny fanomezan-danja tafahoatra ny fisainana maha olona ka te hibaiko an’Andriamanitra mihitsy. Fa vokatry ny tsy fanomezana toerana sy fahefana ny Tenin’Andriamanitra izay toa lasa fahazarana ho an’ny sasany dia lany andro amin’ny fifampitsarana ka tonga ho azy ny fihemorana.

 

Araka izany ny fanati-pisaorana resahina eto dia tsy izay ahazoana manao famoriam-bola matanjaka fa vokatry ny finoana matanjaka eo ambany fitarihan’ny Soratra Masina mandrakariva. Tsy fanatitra vokatry ny faneriterena na mivantana na an-kolaka fa voa hita maso sy azo tsapain-tanana noho ny fanatitra efa vitan’i Jesosy ka ifalian’ny mino tokoa. Ry zareo Amerikana rehefa manao fetin’ny fanati-pisaorana dia sady mifidy sy mifantina ny tsara indrindra ary betsaka hatolotra an’Andriamanitra no manao fety lehibe eo an’ivon’ny fianakaviana. Eny fa raha misy lasa lavitra aza dia miverina malaky ao an-tokatrao sy eo an’ivon’ny fiangonana mba haneho izany fifaliana lehibe noho ny asa mahery efa nataon’Andriamanitra izany.

 NY FOMBA FANATANTERAHANA IZANY

Raha mibanjina ity lohateny ity isika dia ahitana ny fomba izay ahazoantsika manatanteraka izany fanati-piderana izany. Ny teny fototra dia maneho mazava fa tsy misy fomba hafa ahazoana manatanteraka izany raha tsy amin’ny alalan’i Jesosy. Io mihitsy aza no anombohany ity fehezanteny ity ka hoy izy: Amin’ny alalany dia aoka isika hanolotra ny fanati-piderana tsy mitsahatra ho an’Andriamanitra, izany no vokatry ny molotra manaiky ny anarany.

 

 

Tsy misy azo atao mihitsy raha tsy amin’ny alalany. Ny fanambarana fanekem-pinoana tahaka ny nataon-dry Petera sy ry Paoly ary ny mino maro na tamin’ny fiangonana voalohany na ankehitriny dia tsy vokatry ny fikasan’olombelona na fihetseham-pon’olona fotsiny fa fanekena vokatry ny herin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny mino izay manao izany fanekem-pinoana izany no manao fanati-piderana araka izay lazain’i Hebereo eto. Raha manazava izany Lotera dia hoy izy: Ny maha izy azy antsika eo anatrehan’Andriamanitra no ahazoantsia miasa ho fanomezam-boninahitra ny anarany. Miankina feno amin’izay nataon’i Jesosy ho antsika sy ny fanekentsika izany ny maha izy azy antsika eo anatrehan’Andriamanitra.

 

Tsy azo hisaina ho fanati-piderana fa mety ho zavatra hafa toy ny filan-dera sy fisehosehoana na fomba ahazoana fahefana ny asa na fanatitra ataon’ny olona izay tsy nohamarinin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy.

 

Izay manaiky ny anaran’Andriamanitra kosa dia tsy mahay tsy hanolotra ho an’Andriamanitra. “Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay.” II Kor.5:14 Tsy filan-tsitraka izany na fitadiavana tombotsoa ka toa te hanambitamby an’Andriamanitra ny fanati-piderana. Ny hoe manolotra ho an’Andriamanitra dia tsy zavatra mandalo fa fiainana tokoa satria ny maha isika antsika, nohamarinin’Andriamanitra dia tsy zavatra mandalo fa mitoetra sy maharitra ny maha zanak’Andriamanitra antsika.

 

Fiainan’ny zanak’Andriamanitra ny manolotra ho an’Andriamanitra. Ataony tsy mitsahatra izany. Ny fotoana rehetra dia isehoana sy ihariharian’izany fanolorana ho an’Andriamanitra izany.

 

Raha manazava izany Lotera dia mampianatra fa ny finoana izay raisintsika avy amin’ny Tenin’Andriamanitra no loharanon’ny fitiavana izay iveloman’ny mino. Ny finona no isehoan’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ary ny fitiavana no mampiseho ny fifandraisantsika amin’ny namana.

 

Samy simba ireo lafiny roa ireo teo amin’ny fiainan’ny fiangonana nanoratana ny Epistily ho an’i Hebreo. Mbola isehoam-pahasahiranana koa izany eo amin’ny fianantsika ankehitriny. Tsy hitanisa zavatra maro momba izany isika fa hanatrika avy hatrany ity Asa Misiona iandraiketan’ny SPAM ity. Afa-po ve ny tompon’andraiitra ara-pitantanana rehetra raha manao tombana ity Asa Misiona ity? Afa-po ve isika Kristiana tsirairay raha manatrika ny adidy andrasana amintsika? Jentilisa iray ho voataonan’ny Kristiana iray no fanambitsika FLM amin’ity taona 2007 ity. Hanontanian’i Jesosy ny amin’izany isika tompon’andraikitra rehetra. Sao ny tsy nataontsika no tsy ahatratrana izany tanjona izany? Hanontaniana ny amin’izany ny kristiana tsirairay. Sao mba efa tafapaka aminao ihany ny hafatra fa manetsi-tadiny kosa? Tsy mahay tsy hanao izany ny mino satria noho ny maha zanak’Andriamanitra antsika dia fiainantsika ny manome voninahitra an’Andriamanitra, ny miasa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Tafiditra tsara amin’ny lamin’asan’Andriamanitra ny hanaovantsika izay rehetra azontsika atao mba hampitombo isa ny olom-bonjena, hanitatra ny ambain-dain’ny fanjakan’Andriamanitra.

 Izay maha MPISORONA ny mino

 

Misy mihevitra fa ny maha mpisorona dia ny hanaovana raharaha manokana toy ny Pastora. Ka moa ve afaka hanao raharaha manokana tahaka izany daholo ny olona rehetra? Ary moa voafaritra ho zavatra manokana tahaka izany fotsiny ny maha mpisorona? Moa ny maha mpisorona ihany ve no maha zanak’Andriamanitra? Ny marina kokoa dia izao: Maro ny tsy mahafehy izay tian-kambara amin’izany. Misy izay te hanazava na hanampy hevitra hafa mihoatra noho izay efa nampianaran’i Lotera izany.

 

Toy izay efa nolazaintsika teo dia ny fiainantsika manontolo no isehoan’ny maha mpisorona. Tsy lafiny ara-panahy fotsiny araka izay iheveran’ny maro azy izany. Ny maha izy azy antsika araka izay maha zanak’Andriamanitra hoy isika teo. Koa ny maha mpisorona dia miseho amin’ny maha mpamboly, mpiompy, mpivarotra, mpiasa am-birao sy ny maro hafa. Ny fiainantsika maneho ny maha zanak’Andriamanitra vita batisa no maneho ny maha mpisorona antsika. Ny anjara raharaha eto amin’izao tontolo izao dia itovizana tokoa amin’ny hafa nefa manan-tombony tokoa ireo manana ny fanahy maha zanaka. Manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fiainantsika tokoa isika zanak’Andriamanitra.

 

Fa ankoatra izany dia manana anjara fanompoana araka ny manandrify azy tsirairay ao amin’ny fiangonana mihitsy ny mino rehetra. Tsy ny ahafahany manatona mivantana an’Andriamanitra fotsiny izany fa izay rehetra azo atao hampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra.

 

Araka ny fampianaran’i Dr Martin Lotera anefa dia niantso olona avy amin’ireo mpisorona marobe ireo Andriamanitra ka nanendry olona hitantana ny MINISTERA. Tsy ny maha mpisorona fotsiny no voakasik’izany fa ny maha mpaminany indrindra koa. Marihina aloha fa sarobidy dia sarobidy tokoa ny fifamenoan’ny maha mpisorona ny mino tsirairay ary indrindra ny fifamenoan’ny maha mpisorona ny mino sy ny Ministera masina.

 

Tsy hanazavana ny maha samihafa ny maha mpisorona sy ny Ministera anefa no kendrena eto fa ny fanati-piderana hataontsika eto amin’ny Isantaona sy ny hiainantsika izany mandrakariva.

 

Natao hanome voninahitra sy hidera an’Andriamanitra ny zanany rehetra. Miseho sy miharihary indrindra izany fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra izany rehefa maneho ny fahatsarana rehetra ny zanak’Andriamanitra. Tsy niseho izany ho an’ny fiangonana nanoratana ity Epistilin’ny Hebreo ity. Mety hisy olana toy izany koa amin’ny fiangonana izao.

Koa dia mampahatsiaro antsika ny maha mpisorona antsika Andriamanitra hanaterahantsika ny fanati-piderana. Fitaomana ny jentilisa ho tonga zanak’Andriamanitra koa no vokatr’izany.

zava-dehibe amin’ny mpisorona izay hahavita fihavanana ny hafa koa amin’ny andriamanitra

Tsy sorona hanaovana fampihavanana ny olona amin’Andriamanitra no tadiavina amintsika fa ny maha mpisorona antsika dia haneho amin’ny fiainantsika isan’andro ny fahatsaran’Andriamanitra Ilay namorona sy nanavotra ary manamasina antsika, haneho ny fahatsaran’ny fiainantsika zanak’Andriamanitra. Izany no hahasarika ny hafa mba hihavana amin’Andriamanitra. Koa na ny teny na ny asantsika dia samy anehoana izany. Fanolorana fanati-piderana koa izany. Amin’izany isia dia miombona amin’i Paoly ka milaza hoe: “Solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie hianareo.” II Kor.5:20 b. Fiainan’ny SPAM efa zato taona mahery izao ny manao Asa Misiona. Famporisihina lehibe koa anefa no atolotra antsika amin’ity Isantaona ity. Koa ny fandraisantsika andraikitra eto amin’iy Isantaona ity dia tena fandraisana andraikitra hampitombo isa ny olona hahazo ny fampihavanana amin’Andriamanitra. Izany no antom-pisian’ity isantaona ity hatrizay. Tsy fandraisana andraikitra miserana anefa fa fiainantsika mandrakariva ny maha mpisorona antsika. Ny fanolorana fanati-piderana tsy mitsahatra ho an’Andriamanitra ataontsika zanany malalany dia mampitombo isa ny zanak’Andriamanitra koa. Toy ny nitiavan’Andriamanitra ny fiangonana fahizay no itiavany antsika koa ka anaovany izao famporisihana lehibe izao.  

 

FAMARANANA :

 

 

 

 

Tsy miantso antsika hanao fanatitra hahazoana fihavanana Aminy Andriamanitra fa mamporisika sy mampahery antsika kosa amin’ny alalan’ny Teniny mba haeho eo amin’ny fiainantsika isan’andro fa mpisorona iska ka manolotra ny fanati-pireana tsy mitsahatra ho an’Andriamanitra.

Ry zanak’Andriamanitra mpanao isan-taona eto Avaratrimania, nohafaran’ Andriamanitra isika mba hanolotra fanati-piderana. Ny fiainantsika manontolo araka ny maha zanak’Andriamanitra no anehoantsika izany. Izany hoe fianatsika mihitsy ny manolotra ho an’Andriamanitra. Amin’izao Isantaona izao anefa dia misy antso manokana tokoa ataon’Andriamanitra. Antso manokana mba ho fandraisana anjara amin’izao Jobily faha-taonan’ny FLM izao. Ankoatra izay hataonao mba hisy Jentilisa iray hatao batisa dia fomba tsara koa ity Isantaona ity izay mihevitra manokana ny Asa Misona iombonantsika.


Sombim-baovao...
 
Efa fantatrao ve fa azo atao tsara ny mametraka fanontaniana amin'ny mpiandraikitra ity tranonkala ity
raha misy zavatra manitikitika anao...
Midira eto !
 
Aujourd'hui sont déjà 1 visiteurs (2 hits) Ici!
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement