Aoka hanan-kaja ny fanambadiana - Heb 13 : 4
AOKA HANAN-KAJA AMIN’NY OLONA REHETRA NY FANAMBADIANA
Heb.13 :4
 
Fitarihanteny :
            Rentsika etsy sy eroa, maraina sy hariva ny reska SIDA sy ny fandravany firenena maro ankehitriny. Atobaka ny vola ho fisorohana ity herin’ny fahafatesana mahatsiravina ity. Tsy misy fitsaharany ny fikarohana siantifika mba handresena ity fahavalo mahatsiravina ity. Omena toerana ny fanentanana isan-karazany mba tsy hisy olona ho afatsiny ka hanao hoe noho ny tsy fahalalana dia tafiditra ao aminy ny fahafatesana. Tsy hoe mihazakazaka amin’izany ny olona dia mba hirotoroto koa isika. Tsia! Hatramin’ny nidiran’ny fahotana no efa tsy nahalala menatra ny olona, efa tsy natahotra an’Andriamanitra. Talohan’ny nidiran’ny Zanak’Israely tany Kanana no efa nananatra azy ireo momba ity olana fanambadiana ity Andriamanitra. Hatramin’ny niorenan’ny fiangonana voalohany no efa nahitana fampianarana nitaizana ny fiangonana, ny kristiana tsirairay izany mba hamongorana ity fomba mamoafady sy mitondra fahafatesana ity. Tsy manasatra ny fiangonana ny mamerina sy manantitra ny fampianarany amin’ny taranaka maro mifandimby. Tsy mbola niova ny fikendren’ Andriamanitra ny amin’ny fanambadiana ka dia tsy miova koa ny fanabeazana atolotry ny fiangonana manoloana izany. Manan-kolazaina amintsika manoloana ireo olana maro atrehintsika momba ny fanambadiana ireo ny Tenin’Andriamanitra.
 
I-                   Ny fikendren’Andriamanitra ny amin’ny fanambadiana
Anterina fa Andiamanitra mihitsy no nampisy sy nanorina ny fanambadiana. Ankoatra ny fahazoana sy fitohizan’ny taranaka dia nataon’Andriamanitra ho toerana voaaro ho an’ny mpivady ny tokatranony. Toerana voaoman’Andriamanitra hahitan’ny fianakaviana fiadanana ny tokatranony.
Araka ny fikendren’Andriamanitra, ny fitohizan’ny taranaka dia fitohizan’ny fanjakan’Andriamanitra. Zanaka manoa ao an-tranon-dRainy no tena ankasitrahan’ Andriamanitra ao amin’ny fandaharan’asany. Noho izany ny fahazoana taranaka ivelan’ny fanambadiana ara-dalana dia efa ivelan’ny sitrapon’Andriamanitra. Samy tsy fanajana ny fanambadiana araka ny nandaminan’Andriamanitra azy ny fananana taranaka mialoha ny tena fanambadiana sy ny fananana taranaka ivelan’ny tokatrano rehefa nahazo vady ara-dalana. Tena fanoherana an’Andriamanitra sy ny sitrapony ny fananana firaisana ara-nofo ivelan’ny vady nomen’Andriamanitra sy nahazahoana ny tso-dranony. Fandavana ny maha kristiana mihitsy izany nefa dia toa tsy mampaninona ny kristiana maro akory ny miaina ao anatin’izany fahotana izany. Fahotana mahatsiravina tahaka izany koa ny fanambadiana ataon’ny lehilahy sy lehilahy na vehivavy sy vehivavy. Io no efa nandevonan’Anndriamanitra tamin’ny afo ny tao Sodoma. Ka moa mbola Kristiana ve ny fiangonana miaro ny zon’olombelona fa manamaivana ny Tenin’Andriamanitra?
Araka ny fikendren’Andriamanitra, dia nataony ho fiarovana ny maha izy azy ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny fiainana ny tokatranony ny fanambadiana. Tsy fahasarotam-piaro no tiana ho lazaina eto fa fanomezan’Andriamanitra “securité” ho an’ny tsirairay amin’ny mpivady ao an-trano. Narovan’Andriamanitra mihitsy Adama ka na dia nandalo teoaminy aza ny biby rehetra dia tsy nisy nalainy ho vady ireny. Narovan’ Andriamanitra mihitsy Adama ka dia nanamboaran’Andriamanitra vady sahaza ho azy izy. Taolana avy amin’ny taolany sy nofo avy amin’ny nofony io. Tsy fiarovana amin’izay faharatsiam-pitondran-tena mety hiseho hanimbana ny vatana, ny taranaka sy ny fanahy ary ny fianana mandrakizay ihany fa fiarovana amin’ny lafiny maro koa: toe-karena, sosialy, rafi-piainana, fomba fiainana sy ny sisa. Noho izany ny fanosihosena ny hajan’ny tokatrano na ny fanambadiana dia fialana amin’izany fiarovana izany ka anekena ny famotehan’ny fahavalo na fanoloran-tena ho amin’ny fahafatesana. Fanimbana ny tena, famotehana ny taranaka, fandravana ny firenena ny firaisana ara-nofo mialohan’ny tena fanambadiana sy ny fitadiavana izany ivelan’ny vady nahazahoana ny tso-dranon’Andriamanitra. Mbola famotehana fiangonana sy firenena koa ny karazana fanambadiana hafa reetra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Iray amin’ireny fanambadian’ny mitovy fananahana, ny fanambadian’ny mpianaka sy ny maro hafa izay samy misy miaina izany ankehitriny.
Aoka hankatoavintsika ny Tenin’Andriamanitra izay mampahatsiaro ny hajan’ny fanambadiana etoana ka izay rehetra efa nihoa-pefy araka izay lazain’ny Soratra Masina dia hitodika amin’i Jesosy hitady famelan-keloka ary tsy hameriina intsony ireo fomba ratsy tsy fanaon’ny zanak’Andriamanitra na dia misy kristiana maro latsaka tamin’izany fahotana izany aza. Fotoana tandrify iantsoan’Andriamanitra fibebahana izao. Ary noho ny amin’ity fikendren’Andriamanitra ity indrindra no maha tonga ny fiangonana hampijanona ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo izay hita ho manao tokatrano maso na manana firaisana ara-nofo mialoha ny tena fanambadiana sy ny mpijangajanga hafa mitady firaisana ara-nofo ivelan’ny vady voatolotr’Andriamanitra. Koa aza lavina ny Tenin’Andriamanitra miantso antsika hibebaka ka hanome haja ny fanambadiana.
Araka ny fikendren’Andriamanitra, dia nataony ho toerana ahitan’ny ankohonana fiadanana ny tokatrano. Ny fifamenoan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny fanambadiana dia ikendren’Andriamanitra ny fiadanana. Io koa no anomezany fiadanana ho an’ny zanaka. Koa raha misy izay tsy fahandrasana ny sitrapon’Andriamanitra fa ny filan’ny nofo no mibaiko ny fiainana dia tsy misy izany fiadanana izany. Tsy misy fiadanana raha misy ny firaisana ara-nofo alohan’ny tena fanambadiana sy ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana. Misafidy ny fahafatesana izay mandà tsy hifady io asa sy fomban’ny devoly io. Ny sitrapon’Andriamanitra mazava eto dia ny hanajana ny fanambadiana. Tsy fiadanana am-panahy hisehoan’ny fahatsaran’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ihany no azo avy amin’ny fanajana ny fanambadiana. Fa ao koa ny firindran’ny fifandraisna maha olona eo amin’ny mpivady sy ny fiaraha-monina. Manampy izany ny filaminan’ny toe-tsaina eo an’ivon’ny ankohonana. Firifiry moa ny zanaka mitondra faisana noho ny adin’ny mpivady, indrindra ka ireo miafara amin’ny fisarahana. Izany no nahaloa-bolana ny Ntaolo ka ilazany fa izy mivady no miady ka ny ankizy no voaporiporitra. Tsy isalasalana fa salama ara-toe-karena koa ny olona manaja ny fanambadiana. Vitsy anefa no manana izany fiadanana izany fa miaina ao anatin’ny olana ny tokatrano maro. Manary ny zo nananganana azy ho zanak’ Andriamanitra ny olona tsy manaja ny fanambadiana ka mitolo-batana amin’ny fahafatesana. Indrisy anefa fa ankoatra ireo manao lahara-manjohy eny amin’ny fitsarana dia marobe koa ny mivelona amin-dranomaso isan’andro izao. Kristiana anefa ny ankamaroan’ireny!
 
II-                Ireo mety ho karazan’olana manodidina ny tontolon’ny fanambadiana
Misy olana maro manjo ny tanora mialoha ny hirosoany amin’ny fanambadiana: Ao aloha ny olana ateraky ny fiovana ara-batana sy ara-tsaina. Maro no voatosik’izany toe-javatra izany ka latsaka amin’ny fakam-panahy manao ny fomban’ny mpivady na dia tsy mpivady aza. Ao ny olana ateraky ny kolontsaina vahiny samihafa ary ny fanamaivanana ny maha Malagasy dia tena mampirongatra izay tsy izy ny fahotana. Ao ny vokatry ny fisotro-mahamamo sy ny zava-mahadomelina ka mampirongatra ny filan’ny nofo. Ao ny fanahian’ny tovovavy sao ho diso anjara ka dia mirotoroto foana manao varo mora ny ho aviny. Ao ny fahadisoam-pijery nentim-paharazana ka tsy maintsy mifampizaha-toetra aloha sao sanatria misy momba na tsy miteraka ka manahirana ny fampisarahana rehefa voafatotra. Misy koa anefa fijery tanora ka mihevitra rehefa mifampizaha-toetra maharitra ary tonga hatramin’ny firaisana ara-nofo dia mety ho fiarovana mafy hampaharitra ny tokatrano izany.
Tsy izany anefa no zava-misy fa samy manao saka manafi-koho daholo aloha. Rehefa tena tonga ao amin’ny tokan-trano miseho ny kilema samihafa. Tsy vitsy koa ny milaza tsotra fa antitra izy vao be ny tanora. Tsy tambo ho tononina araka izany koa ny olana manjo ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-tokatranony. Misy olana ateraky ny tsy fifankazakana aminn’ny toetra satria tsy voamana tsara momba ny atao hoe fanambadiana. Misy ny olana ara-toe-karena sy ny tsy fahaiza-mitantanana. Ny sasany tsy mahafehy ny atao hoe fanambadiana ka dia mbola te hitady fifalian’ny nofo ivelan’ny tokatrano. Ny sasany te hahazo fahafinaretana mihoatra noho izay tandrify hataon’ny mpivady ka miteraka olana eo amin’ny vadiny. Tsy vitsy no manakalo ny akoho tama-trano rehefa mahita ny akanga tsara soratra satria ny endrika ivelany sy ny fahafinaretan’ny masony omeny vahana nefa ny azy ao an-trano atao ratsy karakara. Ny sasany tsy mahafehy tena rehefa mahita sary mihetsika mamoafady nefa misisika mijery ireny hatarany. Ny sasany tsy mahafehy tena rehefa lasa mamitaka iraka amin’ny asany na manao varotra mandeha. Toa heverina fa mikipy Andriamanitra. Tsy tambo ho tanisaina eto ireo karazan’olana fa tranga vitsivitsy ihany ireo. Tsy ho voatanisa etoana koa ny vahaolana rehetra. Irina indrindra raha misy fandalinana isaky ny sampana na isam-piangonana ifarimbonan’ny teknisiana isan-karazany: Pastora, Doktera, Pedagoga, Psykologa, Sosiologa sy ny sisa. Ny vaha olana tsotra atolotra eto dia ny fifotorana amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Foto-pinoan’ny fiangonana.
 
III-             Matokia an’i Jesosy : izay lazainy sy izay ataony ho fianantsika
Ny firongatry ny fahotana sy ny vokany eo amin’ny fiainan’ny maro ankehitriny dia mitondra fandravana mahatsiravina tokoa. Tsy irintsika ho hita nefa mba mendrika ho sainina ihany ny faharavana tamin’ny safo-drano. Izay nahazahoana mamonjy ny olona hatramin’ny ankehitriny dia ny fahatokian’i Noa izay nolazain’i Jehovah sy izay nataony tamin’izany. Marobe ny olana manjo ny tanora sy ny tokatrano maro ankehitriny eny hatramin’ny tokatrano Kristiana aza. Ny sasany moa dia miaina ny faharatsiam-pitondrantena noho ny famoizam-po amin’izany. Ny sasany indray dia mihevitra fa zary fomba azon’ny fiangonana ekena mihitsy aza ireo fihetsika mapiseho fahotana maro. Fa na maro aza ny olana dia tokana ihany ny vaha olana azo lazaina: Matoky an’i Jesosy. Io no fintinin’i Martin Lotera amin’ny hevitry ny Didy valoany oe: “Tsy maintsy atahotra sy ho tia ay hatoky an’Andriamanitra ihotra noho ny zavatra rehetra isika.”  Azo lazaina mantsy fa mahafaoka ny Didy folo manontolo ity Didy voalohany ity. Diniho anie fa isaky ny hanomboka ny hevitry ny Didy Lotera dia mietny toy izao: “Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika.” Izay izy vao manohy amin’ny hoe:” …ka tsy … fa…”.
Tena tondro zotra ho an’ny fianan’ny mino izany amin’ny maha olona nalain’ Andraimanitra ho an’ny tenany antsika. Soritan’Andriamanitra amin’izany ny fiainantsika zanany. Indrisy anefa fa maro amintsika zanany no tena manana fiainana mifanalavitra na mifanohitra tanteraka amin’izany. Koa ny fahatahorana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isan’andro fa tsy izay hanjo antsika amin’ny andro farany ihany dia tena vaha olana amin’ity faharatsiam-pitondranteana ity tokoa. Ny fahatokiana an’Andriamanitra dia fametrahana eo Aminy ireo olana mitambesatra amintsika. Izy irery no manana ny vaha olana feno fa olana no ateraky ny vaha olana vonjy tavan’andro raisintsika. Ny fitiavanan’ Andriamanitra dia mampifady ny devoly sy ny asany ary ny fombany ka nmanampy betsaka antsika handresy ity ota latsaka anaty ity.
Tsy amintsika izao Andriamanitra no manomboka miteny. Efa marobe ny olona nitenen’ Andriamanitra sy ny Teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’izany. Samy notanterahany feno tokoa izany fa tsy ampahany. Miteny amintsika koa Andriamanitra ary manome teny fikasana ho antsika. Koa eo anoloan’ny toe-javatra mampihoron-koditra eto amin’ny firenena sy tafiditra aty am-piangonana amin’ny alalan’ny fitondran-tenan’ny Kristiana amin’ny tsy fanajana ny fanambadiana dia miantso fibebahana Andriamanitra. Ilaozana ny fahotana mahazatra. Avela ny heoka fanao. Manaraha zotram-piainana vaovao araka izay lazain’ny Soratra Masina eto hoe: “AOKA HANAN-KAJA AMIN’NY OLONA REHETRA NY FANAMBADIANA” Heb.13 :4.
           
Fehiteny :
Mirongatra izay tsy izy ny fahotana amin’ny fandikana ny Didy faha enina sy ny olana maro manodidina ny fanambadiana. Ny vaha olana fototra aroso eto dia izay ahazahoana miainana ny fianana kristiana marina fa tsy fomba amboamboarina ivelany. Tsy mahasoa antsika ny mijery ny kileman’ny hafa na maka tahaka izay faharatsian’ny hafa fa tandrify ho antsika ny mankato izay lazain’ny Soratra Masina sy ny fampianaram-pinoan’ny Fiangonantsika.
Araka izay efa nolazaina tany aloaha dia tsy ho feno ny vaha olana eto ka ireo fanontaniana sy olana teknika rehetra dia mila fandalinana amin’ny fotoana manaraka. Amporisihina araka izany ny sampana sy ny fiangonana tsirairay mba hanao fandalianana.
 
                                                             Pastora RAKOTONIRINA David
                                                                        
Sombim-baovao...
 
Efa fantatrao ve fa azo atao tsara ny mametraka fanontaniana amin'ny mpiandraikitra ity tranonkala ity
raha misy zavatra manitikitika anao...
Midira eto !
 
Aujourd'hui sont déjà 3 visiteurs (6 hits) Ici!
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement