Moa ivelomantsika tokoa ve ny fahasoavan’Andriamanitra ?
FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO
FILEOVANA FAHAMARINANA 67 HA
FITANDREMANA TOBY FANANTENANA 67 HA
 
Toriteny 18.12.03
Mat.1:21-23
 
Moa ivelomantsika tokoa ny fahasoavan’Andriamanitra ?
Fitarihanteny :
         Iray amin’ireo toko telo mahamasa-nahandro amin’ny fampianarana loterana (Soratra Masina irery ihany, Finoana irery ihany Fahasoavana irery ihany) ny hoe FAHASOAVANA. Ity fahasoavana ity koa no iorenan’ny teny fanevantsika amin’ity Krismasy 2003 ity. Ny Jao.1 :16 indrindra izany. Tsy dia ny amin’ny fahasoavana akory no tena velarin’i Jaona ho antsika fa ny FITIAVANA, nefa tena manana hafatra ho antsika amin’izao fotana izao ny teny faneva izay hohazavaina amintsika eto mandritra ny herin’andro. Paoly no tena mamelabelatra betsaka momba ity fahasoavana ity, nefa tsy izany no ifotorantsika androany. Tsy hita mihitsy ato amin’ny Matio ny teny hoe fahasoavana. Na izany aza dia mirakitra hafatra mafonja ho antsika momba izany ny perikopa eto amintsika androany. Tsy ny hahalalantsika ny amin’ny fahasoavan’Andriamanitra no kendrena amin’izany fa ny hivelomantsika tokoa amin’ny fahasoavan’Andriamanittra isan’andro. Izany no anton’ny fanontaniana napetrantsika teo hoe : Moa ivelomantsika tokoa ny fahasoavan’Andriamanitra ?
 
I-Ny fahasoavana azon’i Maria :
         Misy heviny roa ny FAHASOAVANA ao amin’ny T.T. : Mijery midina na manome rariny izay mitoetra amin’ny toerana iva no heviny voalohany. Izany fahasoavana izany no lazain’ny Sal.138 :6 « Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra » ary nohirain’i Maria koa ao amin’ny Lio.1 :48 « Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy »
         Maria tenany no manaiky sy mihira eto fa nahazo fahasoavana izy satria Ilay Andriamanitra Avo amin’ny fahamasinany sy ny voninahiny rehetra dia nifidy azy ilay ambany sy tsy inontsinona akory ho tanana hanoloran’Andriamanitra ny famonjena ho an’izao tontolo izao. Izy no hiteraka Ilay zazalahy efa nampanantenaina hatramin’ny ela, Isa.7 :14 ; 9 :5. Tsy manana tombony mihoatra noho ny tovovavy rehetra tokony hanambady niara-niaina taminy izy. Ny mahambany azy noho ny hafa aza no navoitrany rehefa nandray ny hafatra avy any an-danitra izy. Izy anefa no voafidy. FAHASOAVANA izany. Tsy ny nifidian’Andriamanitra azy ihany no fahasoavana fa ny nitondrany mihitsy tao ankibony koa ny zanak’Andriamanitra dia Jesosy.
         Ny fanampiana avy amin’Andriamanitra ho an’ny olona izay nanaovany fanekena no hevitra faharoa raiketin’ny T.T. momba ny FAHASOAVANA, I Mpanj.8 :23, Isa.55 :3. Asehon’ny tetiarana eo amin’ny Mat.1 :1-17 fa isan’ny olona izay nanaovan’Andriamanitra izany fanekena izany Josefa. Koa tamin’i Maria izay noheverin’i Josefa fa ratsy toetra nitondra vohoka milohan’ny tena fanambadian’izy ireo no nampihariharian’izany fanampiana lehibe izany. Avy amin’Andriamanitra izany. Fahasoavana azon’i Maria koa izany fa na dia noheverina ho ratsy sy fanary izy dia nahariharin’Andriamanitra fa Andriamanitra efa nifidy azy noho ny fahasoavana koa.
         Ireo fampianarana roa avy amin’ny T.T. ireo no nampiasain’ny T.V. ka hampisongadinany fa ny FAHASOAVANA dia fanehoana ny fahelehibeazan’Andriamanitra sy ny fahalehibeazan’ny FITIAVAN’ANDRIAMANITRA te hamonjy sy miasa hamonjy izao tontolo izao na ny olombelona rehetra, teraka tamin’ny ota sy andevozin’ny fahafatesana. Io fikasana sy asa tanterahin’Andriamanitra momba ny fahasoavana io no fintinin’i Jaona ao amin’ny Jao.3 :16 ary tsy hafa fa izany koa no mivoitra eto amin’izao filazana ny anaran’i Jesosy amin’ny fahaterahany izao. Fahasoavana azon’i Maria izany. Ambany izy, ratsy izy, kanefa nofidian’Andriamanitra. Tonga zanaky ny teny fikasana izy. Azony noho izany ny famonjen’Andriamanitra. Tsy navelan’Andriamanitra hanary azy Josefa na dia efa nikasa atao am-pony aza. Tsy ho azy irery anefa fa ny nitondrany an’i Jesosy tao an-kibony, ilay zaza notorotoroninin’ny Fanahy Masina dia mitondra FAHASOAVANA ho an’ny hafa eto amin’izao tontolo izao koa.
         Ry havana, mankalaza ny Krismasy isika izao. Hitanao ve ? Fantatrao ve fa ratsy ny fahotana izay nandrotika sy nanimba ny fiainanao ? Sao dia variana amin’ny haingo marevaky ny Noely sy ny hanimpy satria teraka Jesosy zazakely ? Tsy ny fahazoana mihinana sy mitafy tsara no maha fahasoavana ny Krismasy fa ny fampiharihariana ny faharatsian’ny fahotana iainatsika sy ny fahatsaran’ny fifidianan’Andriamanitra antsika mahazo ny fahasoavana toa an’i Maria. Tsy ny hitondra an’i Jesosy 9 volana ao ambohoka fa ny hitondra azy ao am-po isan’andro ary amin’ny toerana rehetra. Tsy zavatra mandalo amin’ny toerana sy ny fotoana manokana fa fiainana maharitra. Izany no amerenana ny fanontaniana hoe : Moa ivelomantsika tokoa ny fahasoavan’Andriamanitra ?
 
II-Ny fahasoavana atolotr’i Jesosy :
         Tsy hoe notoritoronin’ny Fanahy Masina ihany ity zaza teraka ity fa avy any an-danitra koa no nanomezana ny anarany tamin’ny alalan’ny anjely. Hafa noho ny olombelona rehetra tokoa ity zaza vao teraka ity satria Andriamanitra Izy, notorotoronin’ny Fanahy Masina, nomeny anarana, ary olombelona Izy ka nitondra Azy 9 volana i Maria ary Josefa no hiantso Azy hoe Jesosy rehefa noforana Izy, Lio.1 :21. Sarobidy tokoa io anarana io satria mirakitra ny FAHASOAVANA izay atolotry ny Tompo.
         Jehovah no Mpamonjy no hevitry ny anarana hoe : JESOSY. Jehovah : Io no anarana niantsoana an’Andriamanitra teo amin’ny Israely. Marobe tokoa ireo andriamanitra tsy izy niankohofana sy iankohofan’ny olona na dia ny Jiosy aza. Anarana mampiavaka ny Andriamanitry ny Israely amin’ireo andriamani-kafa marobe manodidina azy ny hoe YHWH na Izy no namorona.na Izy no nanome ny aina.
Nampiasain’ireo mpanjakan’Israely koa anefa izany mba hilazany amin’ireo vahoakany fa nanafaka azy teo an-tanan’ny fahavalo izy ireo. Miaro azy amin’ny fanafihana ataon’ny fahavalo izy ireo. Manao izay hananan’ny vahoaka fandriam-pahalemana sy fandrosoana ara-tsosialy izy ireo. Tsy izy anefa no manao izany fa fiasana teo an-tananan’Andriamanitra hahatanteraka ny famonjena ny Israely olony ihany izy rehetra.
         Fanomanana ny tena famonjena araka ny planin’Andriamanita tao aorian’ny fahalavoan’i Adama sy Eva izany, Gen.3 :15.Maria no niteraka ilay taranaky ny vehivavy izay hanorotoro ny lohan’ilay menarana. Ny nifidianan’Andriamanitra an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ka nametrahany an’i Davida ho Mpanjaka dia ny hahatanteraka io fikasany tsara hitondra fanafahana amin’ny ota io.
         Ilay Andriamanitra tokoa no tonga olombelona tokoa. Ilay tsy nahalala ota no tonga toy ny mpanota mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Fahasoavana lehibe izany atolotr’i Jesosy Ilay zaza teraka ka anaovana fankalazana anio. Tsy hoe nijery nidina fa tena nitoetra eo amin’ny toeran’ny mpanota faraidiny Jesosy. Fahasoavana ho antsika mpanota izany. Na dia eo aza ny elanelam-potoana sy elanelan-tany lavitra tamin’izay nanaovan’Andriamanitra ny fanekena voalohany, araka ny efa nolazaintsika teo ambony dia tsy niova mihitsy ny hevitr’Andriamanitra sy ny asany ka dia Izy mihitsy no nisahirana manaisotra ny fahotana rehatra taloha, miaro amin’ny fahotana rehetra ho avy. « Na dia mandra-pahatitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsi-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao ka Izaho ihany no hitrotro, eny Izaho no hitondra sy hanafaka. » Isa.46 :4. Izany no tenin’i Jehovah ilazany mivantana fa maha tanteraka ny teny fikasany Izy. Izy Jehovah no Mpamonjy fa tsy andriamanitra hafa. Ny hahatanteraka izany indrindra izao i ilazana ny fahaterahan’i Jesosy sy anomezana Azy izao anarana izao.Manaisotra antsika avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana. Fahasoavana izany ary tena vokatry ny asan’i Jesosy irery ho antsika mpanota fa tsy vokatry ny ezaka nataontsika.
         Ry havana, voatolotra ho antsika ny fahasoavana entin’i Jesosy. Izy no nanome aina ho antsika, Izy no nanfaka antsika tamin’ny fahotana, Izy no miaro antsika amin’ny loza rehetra sy misakana ny ratsy rehetra. Izy no manome antsika isan’andro izay rehetra ilaintsika eto amin’ity fiainana ity. Fikasan’Andriamanitra hatramin’ny ela fa tsy tonga ho azy izao Noely izao sy ny fandraisantsika anjara amin’izany. Tena anarana maha vonjy ny anaran’i Jesosy fa tsy anarana maneso toy ny anamamy. Izany indrindra no nilazan’i Petera fa « Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa, fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. » Asa.4 :12. Ampy ho famonjena antsika ny fahasoavana atolotry Jesosy. Fa moa ivelomantsika tokoa ny fahasoavan’Andriamanitra ?
 
III-Ny fahasoavana voatolotra ny mino :
         Tsy natao ho eritreretina fotsiny, na natao hampisento vetivety ka haniriana ny fiainana tsara kokoa fotsiny izao Krismasy izao sy ny teny izay toriana aminao. Efa hatramin’ny ela koa no nikasan’Andriamanitra sy nanatanterahany ny teny fikasana ka ilazana mivantana fa amintsika Andriamanitra. Tsy hafa izany fa ny Teny tonga nofo ao amintsika tokoa. Tsy fahaterahana any Betlehema no ankalazaina eto izao fa ny fahatongavan’i Jesosy Ilay anarana mahavonjy eo amin’ny fiaintsika tokoa.
         Tsy fantatsika tamin’ny herintsika na ny asantsika ny fahasoavana natolotr’i Jesosy ho antsika fa vokatry ny fanambarana sy ny asa nataon’Andriamanitra irery izany. Eto dia ny anjely no nilaza izany tamin’i Josefa. Ao amin’ny Lio.1 :35 dia ambola ny anjely koa no milaza izao fahaterahana izao sy ny anaran’ny zaza tamin’i Maria. Tsy teto ihany fa taloha sy tao aorian’izao fanambarana ataon’ny anjely izao ary ambandrak' ankehitriny dia mbola miteny sy manao fanambarana ary miasa Andriamanitra mba ho voatolotra antsika ny fahasoavany. Raha tsorina dia ny famelana ny helontsika izany ? Ny Tenin’Andriamanitra voatory ka monina ao am-pontsika no andraisana ny famelan-keloka. Izany no fahatanterahan’ny hoe amintsika Andriamanitra. Betsaka anefa ny mpihaino manadino ka ametrahana ny fanontaniana hoe : Moa ivelomantsika tokoa ny fahasoavan’Andriamanitra ?
         Mba tsy hampisalasala antsika fa hampahatoky antsika tokoa, hampiorina mafy ny finoantsika ny Teny milaza famelan-keloka na anolorana ho antsika mivantana ny fahasoavana dia ampiasain’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana koa ny Batisa. Fahasoavana voatolotra koa izany satria anambaran’Andriamanitra sy ampitoerany amintsika ny famelan-keloka. Tena amintsika tokoa Andriamanitra amin’ny ivelomantsika ny fahasoavana voatolotra tao amin’ny batisa araka izay ilazan’i Paoly azy hoe : « Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany ? Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika koa amin’ny fiainam-baovao. Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany. » Rom.6 :4-6. Marina izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ka tsy tokony hisalasala na hiady hevitra isika. Ary izay kendren’ny fanontaniana eto hoe : Moa ivelomantsika tokoa ny fahasoavan’Andriamanitra ? dia tsy hafa fa fampiorenana ny finoana tokoa.
         Fa amin’izay isehoan’ny fisalasalan’ny fo izay indrindra no iantsoan’Andriamanitra antsika ho amin’ny fibebahana isan’andro. Amin’izany no amonoana isan’andro ny Adama ela izay ao anatintsika sy hampiposaka isan’andro ny olom-baovao.
         Fahasoavana voatolotra ho antsika koa ny Fanasan’ny Tompo izay nampiraisana antsika amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fihinana ny tenan’i Kristy sy ny fisotroana ny rany. Hoy indrindra Paoly raha milaza izany : « Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny ran’i Kristy va izany ? Ny mofo izay vakiantsika, tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va izany ? » I Kor.10 :16. Amin’izany dia amintsika tokoa Andriamanitra ka voavela ny helontsika rehetra. Indrisy anefa fa marobe ireo tsy mampisy vidiny izany fahasoavana lehibe izany ka tsy mandray anjara amin'ny Fanasan'ny Tompo na mandray ny Fanasan'ny Tompo ihany fa tsy matoky ny Teny famelan-keloka ka dia tamana amin'ny fahotana hatrany. Ny hanafaka antsika amin'izany no anton'izao Noely izao. Aoka ary isika hatoky ny Tenin'Andriamanitra ho antsika ka ananantsika ny tena fahasoavana isan'andro.
         Ry havana, voatolotra ho antsika ny fahasoavana. Azontsika ny famelan-keloka noho izao fahaterahan’i Jesosy izao. Ny hanafaka antsika amin’ny fahotana no nahatongavany ary izany no hevitry ny Anarany. Hazony mafy ny fahasoavana voatolotra antsika ka aza mety hampisalasalaina intsony. Izao Krismasy izao hampitombo ny fahavelomantsika ao amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Mahatoky ny Tompo Jesosy izay Mpamonjy antsika. Koa aoka hatoky ny fahasoavana voatolotra ao amin'ny Teny sy ny Sakramenta isika. Amen.

Sombim-baovao...
 
Efa fantatrao ve fa azo atao tsara ny mametraka fanontaniana amin'ny mpiandraikitra ity tranonkala ity
raha misy zavatra manitikitika anao...
Midira eto !
 
Aujourd'hui sont déjà 2 visiteurs (3 hits) Ici!
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement