Kristiana mampiasa ny tontolo iainana - Gen.9 :1-3
FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO
ISANTAONA FAHA-9
10.09.09
IMERINTSIATOSIKA ARIVONIMAMO 67 Ha
By Rev. Prof. David RAKOTONIRINA
 
Kristiana mampiasa ny tontolo iainana” Gen.9:1-3
 
Fitarihanteny
Asongadin’ny teny fanevan’ity Isantaona ity fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra ny mino. Misy lafiny samihafa no ho velabelarina eto mikasika izany fiaraha-miasan’ny Kristiana amin’ Andraiamanitra izany mandritra ity Isantaona ity. Manana toerana matanjaka amin’izany ny resaka tontolo iainana. Azo lazaina fa tena mifanakaiky dia mifanakaiky ny lahateny naroso tamin’ny maraina sy ity fampianarana atolotra eto ity. Ankoatra ny hoe samihafa izy satria Lahateny ny iray fampianarana ny iray dia teny kely fotsiny ny hoe “mikajy sy mampiasa” nefa mampisogandina fahasamihafana lehibe koa. Mahazatra antsika koa ny mandinika ny fampianaram-pinoana fa eto dia mitodika kokoa amin’ny lafiny etika fitondrantena ny resaka. Tsy ho mari-pototra koa anefa ny resaka raha hiresaka etika tsy manana fototra dogmatika matanjaka isika. Fampianarana Soratra Masina no iaingantsika ka hazavaina araka ny fomba fijerin’i Dr Martin Lotera azy ny perikopa. Hiezaka isika hampivoitra ny fampianarana fototra regefa vita izany. Faranantsika amin’ny fampirahana na pratika sasan-tsasany izany.
 
Fandinihina ny Perikopa
-          Tso-drano ho an’i Noa sy ny taranany:
Efa nitso-drano an’i Adama Andriamanitra raha vao vita ny famoronana, Gen.1:28 . Indrisy anefa fa notoherin’i Eva ny Tenin’Andriamanitra. Nanaraka izany koa Adama. Mbola nanimba na nandrava ny asan’Andriamanitra koa Kaina tamin’ny namonoany an’I Abela rahalahiny. Nitombo hatrany ny fahotana ka nanenika ny tany manontolo. “Ary hitan'i Jehovah fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony. Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.” Gen.6:5-7
Notanterahin’Andriamanitra araka izany ny safodrano ka Noa valo mianaka no sisa velona.
Iray amin’ny hevi-bavety tsy azo avela eto ny tso-drano ho an’I Noa sy ny taranany. Mahakasika indrindra ny fampiasana ny tontolo iainana izany. 
Mialoha ny handinihintsika misimisy izany tso-drano izany izay manome lanja ny fampiasana ny tontolo iainana dia tsara ho marihina koa fa mbola misy tso-drano hafa koa nataon’YHWH tamin’ny Abrahama, Gen.12:1-3; 17:2-7. Manamafy izany tso-drano sy fanekena izany hatrany YHWH nefa tsy ampy ny fotoana hitanisana izany eto.
Ny fitsofan-drano ny fanambadiana no voalohany amin’izany. Efa nisy ny fitsofan-drano ny fanambadiana koa tany aloha, 1:28; Eto dia hamafisiana indray izany. Voalohany dia lazaina mazava toy izay efa nilazana azy tany aloha fa lahy sy vavy no mifanambady. Anteriana fa lehilahy iray sy vehivavy iray no mpivady fa tsy olona maro.
Faharoa, lavin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampirafesana. Melohin’ny Soratra Masina mazava koa ny fanambadiana iarahan’ny lehilahy sy lehilahy na vehivavy sy vehivavy. “Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.” Lev.18:22 Mafy kokoa ny filazana ny fanamelohana ao amin’ny I Kor.6:9 sy ny I Tim.1:10. Tsy mahazo mandova ny Fanjakan’Andriamanitra ny Sodomita na ireo olona mifanambady samy lehilahy na samy vehivavy. Fiainana Sodomita izany ary tena heloka tsy hahazoana ny Fanjakan’ny Lanitra.
Ny fahatelo dia ny filazam-pitahiana avy amin’ity fanambadiana ity.
Mazava ny tso-drano fa ny fahazoana taranaka sy ny fampitomboana izany no kendren’ny famoronana ny fanambadiana.  Isan’ny zavaboahary ny tenantsika ka ny fampiasana ny taova rehetra ao dia isan’ny fampiasana ny tontolo iainana.
 
-          Ny fifandraisana amin’ny biby na ny fampiasana ny biby
Hatramin’ny famoronana dia efa naira-nonina tao Edena Adama sy Eva ary ireo biby maro be. Izy mivady no mpanjakan’ny zavaboahary ka nampiasa tsara ireny rehetra ireny. Nanova tanteraka ny endrim-pifandraisana anefa ny fidiran’ny fahotana. Voalazan’ny ohabolantsika Malagasy aza fa bibilava sy olona ka tafahaona samy matahotra.
Niara-nonina tao anatin’ny sambo fiara indray anefa Noa valo mianaka sy ireo karazam-biby samihafa. Rehefa tapitra ny safo-drano ka nitso-drano azy ireo Andriamanitra dia misy endrim-pifandraisana vaovao  toy ny tamin’ny famoronana indray ao satria tena toy ny famoronana vaovao tokoa izao ataon’YHWH eto izao.
Tsy ho mpandripaka ny biby ahazoany sakafo fotsiny ny  olombelona fa ho mpikarakara azy ireny araka ny maha fanomezan’Andriamanitra azy. Hikarakrara azy ireny hahazoana ny fitahiana rehetra efa nampanantenain’Andriamanitra. Ny fampiasan’ny olona tsara ireo karazam-biby marobe eo an’ivon’ny tontolo iainana dia tena mitondra ny fitahiana feno ho an’ny olombelona tokoa.
Ampiasaintsika ny biby tsy ho sakafo ihany fa ahazoana fitafiana koa. Rehefa nanota Adama sy Eva dia nisafidy nitafy ravikazo. Andriamanitra kosa nampitafy azy ireo ny hoditry ny biby. Tsy ny hodiny fotsiny anefa no misy dikany amin’izany fa nu rany nalatsaka koa. Mbola nampiasan’ny fiangonana tao amin’ny TT ho fanaovana fanatitra hahazoany fihavanana amin’Andriamanitra koa aza ny biby. Ireo Jentilisa sasany tahaka ny eto Madagasikara dia mbola manao izany koa.  Tafiditra amin’ny tsy fahaizana mampiasa ny tontolo iainana anefa io fomba io satria tsy tafiditra ao ny fandraisana ny tontolo iainana ho fanomezana avy amin’Andriamanitra izany ary tsy misy ny fisaorana. Loharanon-karena mihitsy ny biby ho an’ireo izay mahay mampiasa izany tsara.
Mbola valo mianaka fotsiny ry Noa dia efa notoloran’Andriamanitra izany saina izany sy nomeny tso-drano mba hampiasa tsara ireo biby ireo hahatonga fitahiana lehibe ho azy. Na dia efa mitombo ho maro be tokoa ny mponina araka io tso-drano io ihany dia mbola hazonin’Andriamanitra izany tso-drano izany ka tsy ho maika amin’ny fanimbana na fandravana ny asan’Andriamanitra isika fa hitoetra ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra tokoa ka hampiasa tsara ny tontolo iainana.
Misy ezaka betsaka tsy maintsy hataontsika Kristiana mba hampitombo isa ireny biby ireny fa raha olona vitsy ihany Noa valo mianaka no nampiasa ny zavaboahary rehetra teto an-tany tamin’izany fotoana izany dia efa an-tapitrisa maro kosa isika ankehitriny. Tsy haharaka ireo zavaboahary ireo raha mandrava fotsiny no asantsika fa tsy mikendry ny fampitomboana azy ireny sy ny fiarovana azy ireny mandrakariva. Fiteny nahazatra antsika ny hoe tsy ho ritra ny ala atsinana nefa indrisy fa tapitra izy izao ka mangadihady ny Nosintsika. Ho levona tahaka izany koa ireo biby marobe raha tsy mahay mapiasa azy tsara isika. Noho ny amintsika zanak’Andriamanitra no anomezana ireny ho antsika ka aoka isika hampiasa ireny araka ny sitrapon’Andriamanitra.
 
-          Ny tany dia hahavokatra zavamaniry maro
Nitso-drano ny fahavokaran’ny zavamaniry koa YHWH mba hanasoavany ny olona. Hatramin’ny voalohany. Efa niseho izany tamin’ny famoronana voalohany. Mbola miverina eto koa izany. Maro be ny asa tsara ataon’ny zavamaniry ho antsika: Aon y mahasakafo azy ireny. Ao ny mahafanafody azy ireny. Misy koa anefa ireo mampiasa diso azy amin’izany maha fanafody azy izany. Ao ny famokarany ny rivotra madio sy mahavelona toy ny Oksizena. Araka ny maha kely na tsy mampisy ny zavamaniry no mampidi-doza ny tany. Fitahina lehibe avy amin’Andriamanitra kosa ny fitomboany sy ny fahamaroany hanasoavana ny olombelona. Fa mbola asa tsara ataon’ny zavamaniry koa ny mampahalonaka ny tany ka ho tonga mahavokatra be. Miankina betsaka amin’ny fahamaroan’ny zavamaniry ny mahatsara koa ny rotsakorana.
Tsahivina anefa fa fa rehefa tena manohitra an’Andriamanitra sy ny sitrapony ary ny asany tokoa ny olona dia ataon’Andriamanitra ho tsy mahavokatra tokoa ny tany. Tany nahavokatra tokoa ny tany Sodoma. Fa noho ny fahotana mahatsiravina nataon’ny Sodomita, isan’ireny ny lehilahy nanambady lehilahy, dia notsoahin’YHWH ny fitahiana ka indro  tsy nahavokatra ny tany. Atolotr’Andriamanitra ho an’ny zanany malalany ny fitahiana rehetra avy amin’ny zavamaniry koa. Tsy hahazo izany ireo tsy mety handray ireny ho fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra. Tsy afaka mampiasa ny zavamaniry araka ny sitrapon’Andriamanitra ny olona rehefa manohitra ny sitrapin’Andriamanitra ka dia faly mamotika ny asan’Andriamanitra.
 
Fanazavana ny fampianarana fototra
Ny famaritana mazava eto fa ny Kristiana no mandray andraikitra ka mampiasa ny tontolo iainana dia milaza mazava fa misy koa ny fampiasan’ny Jentilisa ny tontolo iainana. Ny hoe Kristiana dia ilazana ny olona vita batisa ka miaina ny faneken’ny batisany. Ny fifadiana ny devoly sy ny fombany rehetra ary ny asany rehetra mbamin’ny finoana an’Andriamanitra Ray sy Zanaaka ary Fanahy Masina araaka izay ataon’ny Fiangonana no tsahivina amin’izany. Mampisongadina ny fanekena nataon’Andriamanitra izay nandray ny mpanota ho amin’ny fiainana vaovao izany. Araka izay hitantsika teo amin’ny fanazavana dia ny olona nohamarinina no anaovan’YHWH ny fanekena. Manao izany faneekena izany amintsika koa Andriamanitra.
Manana fototra ara-tSoratra Masina ary manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampianaram-pinoan’ny fiangonana ny fanambadiana ka tsy tokony hionona fotsiny amin’izao fanazavana tari-dresaka eto izao isika fa rariny raha tena mandalina izany eo amin’ny fiainan’ny fiangonana mba hanampiana ny Kristiana tsirairay. Maro be ny tokatrano na dia Kristiana aza mitondra fahoriana mafy satria tsy ampy mihitsy ny fahalalany izay ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra mikasika ity fanambadiana ity. Tari-dalana ihany izay hitanareo eto. Nomen’Andriamanitra hitondra fitahiana ho antsika ny tokatrano fa tsy helo afo itondrana fahoriana sy hampijaliana ny tena ary handravana ny manodidina ka mahapotika firenena mihitsy. Mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika Kristiana ka tokony hanandratra avo izany eo amin’ny tokatrano misy antsika.
Fanomezana sarobidy ho antsika ny tontolo iainana, isan’ireny ny biby marobe. Tsy hoe namonjy antsika Andriamanitra dia namindra antsika avy hatrany ho any an-danitra na mampanantena antsika izany fiainana izany fotsiny. Mampiaina antsika ny fiainan’ny zanak’Andriamanitra eto an-tany ny Raintsika any an-danitra. Nomeny antsika koa ny zavatra rehetra ho fitahiana antsika eto an-tany eto, Mat.6:33; Rom.8:32. Tsy hain’ny tsy Kristiana mihitsy ny hampiasa ny tontolo iainana araka ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mahay tsy hanohitra ny sitrapon’Andriamanitra ny jentilisa. Ireo Kristiana tsy mivelona amin’ny Teny sy Sakramenta koa dia tsy hahay hanao ny sitrapon’Andriamanitra.
Miankina betsaka amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ao amin’ny Teny sy ny Sakramenta ny ho fifandrasiantsika amin’ny olona tahaka antsika sy ny ho fifandraisantsika amin’ny zavaboahary dia ny tontolo iainantsika izany. Izay tsara fifandraisana amin’ Andriamanitra tokoa noho izay rehetra nataon’i Jesosy sy ny asan’ny Fanahy Masina ankehitriny dia ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra ka hampiasa ny tontolo iainana araka ny sitrapon’Andriamanitra. Fa ireo mandeha amim-pahazarana amin’izay maha Kristiana azy na mangatsia-po ka te hiala amin’Andriamanitra velona na mbola miaina ny fahajentilisana dia hanohitra an’Andriamanitra hatrany ka tsy mamono ny tenany sy ny fanahiny fotsiny fa mandrava mihitsy koa ny tontolo iainana ka mampiasa izany mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Mandrava ny asan’Andriamanitra tsy mitsahatra ka dia maharava ny firenena tokoa.
Mandray amin’ny fo feno fisaorana ireo fanomezana rehetra natolotry ny Rainy azy ny Kristiana ka mampiasa araka ny sitrapon’Andriamanitra ny tontolo iainana. Miseho ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika amin’izany.
 
Fampiharana
HItantsika teo fa misy izany ny fampiasana ny tontolo iainana tsy araka ny tokony ho izy. Iray amin’ireny ny fampiasana diso ny fitaovam-pananahana ka miteraka aretina sy fanakorotanana maro hatrany amin’ny fiaraha-monina sy ny famotehana firenena.
Ny fampiasana araka ny sitrapon’Andriamanitra ireny dia tena mitondra fitahiana tokoa, Sal.127:3! Tena mpiara-miasa amin’Andriamanitra ny mpivady Kristiana mampiasa ny tenany araka ny sitrapon’Andriamanitra. Mikiribiby amin’ny fahotana kosa ireo rehetra izay manohitra ny sitrapon’Andriamanitra sy mamotika ny asan’Andriamanitra ka tsy mba mampiasa tsara ny tenany araka izay efa namoronana azy fa manao zavatra hafa ho tena fahavalon’Andriamanitra tokoa ka mendrika ny fandravana sy ny fahafatesana tahaka izay efa niseho tamin’ny andron’i Adama sy Eva.
Nomen’Andriamanitra biby isan-karazany isika. Tsy fahavalontsika ireny fa natao hahasoa antsika. Ohatra, raha mba afaka nivahiny tany Afrika Atsimo izahay dia gaga fa tena loharanon-karena ho azy ireo ny tontolo iainana. Ny fampiasany tsara ireo, na dia ireo bibidia masiaka aza dia mampanan-karena azy satria mandoa vola be ireo mpizahatany manao tsy omby loha miditra any.
Bibidia masiaka tokao nefa azo iaraha-monina ary manasoa ny mino rehefa tsara ny fifandraisana: Tsy mba nanaikitra an’i Adama sy Eva ireny talohan’ny fahalavoana; Niaranonina tamin’izy valo mianaka tao anaty sambofiara; Tsy mba nahakasika an’i Daniela tap an-davaky ny Liona.
Ny fandraisana ho fitahiana ny fanomezana rehetra avy amin’Andriamanitra ka ampiasana izany amin’ny fo feno fisaorana no fampiasan’ny Kristiana ny tontolo iaianana. Tena hafa noho izany ny fampiasan’ny Jentilisa izay tsy mitsahatra manimba ny asan’Andriamanitra.
Ny fandoroana tanety dia fandevonana ny biby sy ny zavamaniry ary fanimbana koa ny tany. Vokatry ny fahotana mahatsiravina tao Sodoma dia nodoroana tamin’ny afo ny Tanana ka tsy nahavokatra intsony. Dia hikiribiby handoro tena ve iska ka handoro tanety hatrany. Fitiavana fahotana sy filomana amin’ny fahafatesana tokoa izany. Ny tsy fahalalana eo ihany fa ny tsy fandraisana azy ireny ho fanomezana avy amin’ Andrioamanitra tokoa no andravana ireny asan’Andriamanitra ireny. Maro hafa koa ireo karazam-pahotana mikasika ny fanimbana ny tontolo iainana izay tsy ho voatanisantsika eto. Fa ny fototra lehibe indrindra amin’ny ahazoantsika mampiasa tsara ny tontolo iainana dia ny ny fanekena ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra satria efa natsanganan’Andriamanitra ho zanany isika.
 
Famaranana
Ny olona, ny biby amam-borona ary ny zavamaniry maro izay mandrafitra ny tontolo iainana dia samy fanomezna sarobidy nomen’Andriamanitra ho antsika. Nataon’Andriamanitra hahasoa antsika. Ikendren’Andriamanitra ny handrotsahany ny fitahianay ho antsika. Hatramin’ny famoronana, nandalo izao famoronana vaovao tamin’ny andron’i Noa izao. Tonga amin’izay tena fahariana vaovao dia ny batisantsika.
Ny fahatsaran’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra noho ny asa lehibe sy mahery nataon’Andriamanitra ho antsika amin’ny fahafenoan’ny fahasoavany no ahazoantsika mampiasa araka ny sitrapon’Andriamanitra ny tontolo iainantsika. Tsy teny fikasana ihany fa tanterahan’Andriamanitra ho antsika ao amin’ny Jesosy Kristy Tompontsika ny fitahiana rehetra amin’ny fampiasantsika tsara ny tontolo iainana.
Rehefa tsy manana firaisana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teny sy ny Sakramenta isika na dia mitondra ny anarana ho Kristiana aza dia manao ny asa ratsy rehetra manohitra an’Andriamanitra, manohitra ny sitrapon’Andriamanitra ka mamotika ny asan’ Andriamanitra. Tsy mpiara-miasa amin’Andriamanitra ny olona toy izany fa tena fahavolon’ANdriamanitra tokoa.
Ny Jentilisa moa dia efa mijanona ho Jentilisa rahateo ka tsy anaovantsika teny lava eto.
Ry Kristiana, mpiara-miasa amin’Andriamanitra, mahaiza mampiasa ny tontolo iainana araka izay nikendren’Andriamanitra azy ireny sy nanomezany ireny ho antsika. Tsy ho ny baikom-pitolomana politika, n any paik’ady narafitra noho ny fiarovana ny zon’olombelona sy ny tontolo iainana ihany no hibaiko antsika fa ho lohalaharana amin’ireny ny fampiasantsika tsar any tontolo iainana araka izay maha zanak’Andriamanitra antsika noho izay rehetra nataon’i Jesosy ho antsika. Manan-kolazaina betsaka amintsika ny miaksika izany ny Tenin’Andriamanitra. Tsy afaka nivalapatra niresaka ny fahasimban’ny tontolo iainana noho ny fahalotoan’ny rivotra isika. Tsy afaka niresaka koa ny faharavana vokatry ny tsy fahaizana mampaisa araka ny sitrapon’Andriamanitra ireo teknolojia vaovao ka hifaninana gatramin’ny famoronana olona koa aza. Izao fampianarana natao fanakofan-tsaina izao dia irina mba hahasoa ny fiangonana amin’ny fandrafetana fandaharam-piofanana ho fandalinana izany isan’ambaratonga.
Sombim-baovao...
 
Efa fantatrao ve fa azo atao tsara ny mametraka fanontaniana amin'ny mpiandraikitra ity tranonkala ity
raha misy zavatra manitikitika anao...
Midira eto !
 
Aujourd'hui sont déjà 2 visiteurs (3 hits) Ici!
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement