Fandraisana

« Ho aminareo anie ny fiadanana ! »

Jerosalema : Tanan’ny fiadanana
 
Jerosalema : Tanan’ny Israely araka ny teny fikasana

Jerosalema vaovao :
Tanan’ny olomboavonjy any an-danitra rahatrizay

Misaotra anao tonga mamangy na mitsidika ity tranokala ity. Nampitondraina ny adiresy hoe JEROSALEMA izy ity satria :
-          Ao ny maha trano azy izay ampandrosoana anareo sy ny maro hafa koa izay hasaina histidika!
 
-          Tsy trano hampandrosoana anao fotsiny anefa fa toerana izay irina tokoa mba ahazoanao mihinana ny sakafo mahavelona sy mahasalama.
 
-          Toerana izay irinay mba hanolorana na hizarana amin’ny alalan’ny soratra sy feo ny fampianarana mba azonay amelomana koa ny fiangonana.
 
-          Fantatsika na ampahafantarina antsika fa ny Teny sy ny Sakramenta no fototra na koa andry iray maha Fiangonana ny Fiangonana. Eto dia ny Teny no atolotra nanareo amin’ny soratra sy feo fa manasa anareo mba hanatona ny fiangonana Loterana uzat akaiky anao kosa mba tsy ho diso anjara amin’ny Sakaramenta masina.
 
-          Inonay araka izany fa toerana izay manolotra ho anao ny fiadanana koa ity tranokala ity satria andrenesanao mazava ny toriteny sy fampianarana izay amelomanay koa ny fiangonana, araka ny anjara fanompoana natolotry Jesosy anay ho Pastora izay mitantana tokoa ny Teny sy ny Sakramenta araka ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina.
 
-          Avy amin’ny fihainoanao na famakianao ny izay voatahiry ato dia inoanay fa misa tokoa Andriamanitra ka manolotra ho anao ny famelan-keloka ary mampiaina anao ny fiadanany na dia mbola eto an-tany fiadiana ianao. Ho feno sy tanteraka izany rehefa tonga ao amin’ny JEROSALEMA Vaovao tokoa ianao!
 
Araka izany dia Teolojia Loterana, miainga amin’ny famakiana ny soratra nataon’i Dr Martin Lotera, mifototra amin’ny fampianarana voatolotry ny Reformasiona, izany hoe mifototra tsara amin’ny Soratra Masina no hatolotra anao ato amin’ity tranokala ity!
 
Mirary soa ho anao hahazo ny fiadanan’Andriamanitra sy ho velona amin’izany mandrakariva!
 
   Rev. Prof. David RAKOTONIRINA
Sy ireo Ekipa teknika miaraka aminy
 






Ankoatra izany dia hitanao eto ihany koa ireo rohy isan-karazany ahafahanao mampitombo ny

finoanao.

 
Kitiho ity raha hamaky na hitady teny ao amin'ny Baiboly
Hamaky Baiboly Malagasy; Konkordansa;...

Sombim-baovao...
 
Efa fantatrao ve fa azo atao tsara ny mametraka fanontaniana amin'ny mpiandraikitra ity tranonkala ity
raha misy zavatra manitikitika anao...
Midira eto !
 
Aujourd'hui sont déjà 1 visiteurs (1 hits) Ici!
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement